Notanterahana ny zoma 13 jona 2025 ny fifidianana izay hisolo tena ny OJM ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon’olombelona (CNIDH).
Voafidy hiantsoroka izany andraikitra izany RAKOTOMANANA Richardson.
Toy izao ny voka-pifidianana :
– Mpifidy voasoratra anarana : 47
– Nandatsa-bato : 44
– Vato maty sy tsy manan-kery : 0
– Vato manan-kery : 44
Vato azon’ireo kandida tsirairay :
– Kandida 1. RANDRIANIRINA Mosa Denis 0
– Kandida 2. RALAY Hanitriniony Donas 0
– Kandida 3. RAKOTOMANANA Richardson 24
– Kandida 4. ANDRIAMIRA Ranoason 3
– Kandida 5. DAMY Govina 6
– Kandida 6. RAHARISON Andry 1
– Kandida 7. RANAIVOSON Mbinintsoa 0
– Kandida 8. RANDRIANARISOA Njaka Serge 10
Nanara-maso ny fifidianana ny filohan’ny Association des Journalistes Doyens de Madagascar sady Filoha lefitra nasionalin’ny KMF-CNOE, RABEKIJANA Félix.
Nikarakara ny fifidianana ny avy amin’ny Commission Paritaire Centrale eo anivon’ny OJM.