Author Archives: gabriel.nyh

Movers is generally the detailed organization and implementation of a complex operation. In a general business sense, logistics is the management of the flow of things between the point of origin and the point of consumption in order to meet requirements of customers or corporations.

Nihaona, androany, ny filohan’ny Antenimierampirenena Tokely Justin sy ny filohan’ny Ordre des Journalistes de Madagascar Rasoloarison Monica, niaraka tamin’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena faritany Fianarantsoa Fomendraza Haingo Nambinina ary ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Boriborintany fahatelo, eto Antananarivo, Gascar Fenosoa, tohin’ny tranga, ny talata 15 oktobra 2025, momba ny fanakanana ny ampahany tamin’ny mpanao gazety, hanatrika ny lanonana fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa teo anivon’ity Andrimpanjakana ity.
▪️Fandaminana anatiny nohon’ny hamaroan’ny olona tonga eny amin’ny Antenimierampirenena rehefa fotoam-pivoriana sy ny fisian’ireo olona mitonona ho mpanao gazety nefa misandoka ny asa no anton’ny fandaminana fa tsy fanilikilihana na fanavakavahana na fanivanana ny mpanao gazety velively, raha ny fanazavana nomen´ny AN.
▪️Mametraka tanteraka ny Antenimierampirenena ho Andrimpanjakana mandala ny demokrasia sy ny fanjakana tsara tantana ary ny mangarahara ireo Solombavambahoaka voafidy, miasa ankehitriny, raha ny fanazavana hatrany.
▪️Hisy ny fivoriana hiarahan’ireo mpikambana amin’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena sy ny avy amin’ny birao mitantana ny OJM, hanatsarana ny fomba fiasa sy hanadiovana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, ifarimbonan’ny roa tonta.
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗮𝗻𝗱𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘃𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮, 𝗳𝗲𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗿𝗮𝗶𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝘀𝘆 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮, 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗲𝗵𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 “𝗰𝗮𝗿𝘁𝗲 𝗽𝗿𝗼𝗳𝗲𝘀𝘀𝗶𝗼𝗻𝗻𝗲𝗹𝗹𝗲 𝗢𝗝𝗠” 𝗻𝗮 𝗻𝘆 “𝗰𝗮𝗿𝘁𝗲 𝗺𝗮𝗶𝘀𝗼𝗻” 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝘆 𝗻𝘆 𝗢𝗝𝗠, 𝗮𝗻𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗳𝗲𝗻𝗼 𝗳𝗲𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗸𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮 𝗺𝗮𝘁𝗶𝗵𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮, 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘁𝗼𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗶𝗯𝗲 𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗢𝗝𝗠.

Movers is generally the detailed organization and implementation of a complex operation. In a general business sense, logistics is the management of the flow of things between the point of origin and the point of consumption in order to meet requirements of customers or corporations.